Ny tsy fanjarian-tsakafo dia isan'ny tranga matetika hita amin'ny zokiolona, izany hoe 33% amin'ireo zokiolona. Ny tsy fanjarian-tsakafo dia tsy fahatomombanana amin'ny lafiny hery hoentiny, lanjany mifanahaka amin'ny toe-batana. Hita maso ety ivelan'ny vatana ny vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo : fihenan'ny hadirin'ny vatana, ahiazana. Fisorohana : fifampiresahana amin'ny zokiolona...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Rehefa mihena ny tosiky ny ra dia isan'ny azo ilazana hoe misy tsentsina ny lalan-dra.  Ireo mety hanentsina ny lalan-dra : 1- Ra mivaingana 2- Fisian'ny tavy na menaka anaty lalan-dra ka mahatery ny fikorinany. 3-Fisian'ny rivotra tafiditra amin'ny lalan-dra. Ireo olona mety hanana olana amin'ny lalan-dra : Ny tarazo ara-pianakavina, ny fahanteran'ny lalan-dra, ireo manana olan'ny fo... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 23 - 24 janoary 2025 ny atrik'asa nasiônaly momba ny fanovàna ara-pambolena na ny "transformation agricole". Atrik'asa anamafisana ny firotsahan'ireo mpisehatra, nananganana drafitra niaraha-nanaiky iarahana miroso amin'ny fanovàna ny fambolena...

Ny fanantenana tsy manodoka" Rm 5,5 fa manome hery antsika amin'ny andro fitsapana. Mety hitondra fiononana izany teny izany, mety hisarika ny saina hametra-panotaniana koa nefa, indrindra rehefa marary sy mitondra fangirifiriana. Ahoana no hananana tanjaka raha hitantsika manoloana antsika ireo olona tiantsika mijaly, nefa tsy afa-manoatra isika tsy afaka hanampy azy akory ?. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...