Talata 23 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 6. 12-14 — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.
♦ Niampy iray indray ny marary tsy nahatohitra ny Coronavirus raha ny tatitry ny CCO androany... ♦ Hiroso amin'ny fisamborana ireo tsy manao aron-tava ny mpitandro ny filaminana manomboka rahampitso... ♦ Ahemotra ho amin'ny alarobia ho avy izao indray ny fandinihan'ny Solombavambahoaka ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020...
Nanamafy hatrany ny firaiketam-pony amin'ny fiahiana ny mpitsoa-ponenana sy ny fiarovana ny tontolo iainana i Papa François, taorian'ny vavaka Angélus notarihany teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera, omaly alahady.
♦ Tsy maintsy omena vahana ao anatin'ny teti-bolam-panjakana asiam-panitsiana ny momba ny sôsialim-bahoaka hoy ny depiote voafidy tany Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa... ♦ Tsy misy kajikajy pôlitika, na fitadiavana seza, na resaka foko ny fizarana mitovy ireo distrika mandrafitra ny faritra Vatovavy Fitovinany... ♦ Miantso ny mpampiasa lalana ho mailo ny Polisim-pirenena...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco