Tsy mitovy lanja amin’ny Sakramentan’ny fampihavanana ny famelàna mandritra ny vavaka fifonana amin’ny litorjia, fa manome antsika ny hevitry ny famindram-pon’Andriamanitra tsy misy fepetra.

Alakamisy 07 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20 — Nahita Ahy ianao ka nino ; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

♦ Tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ireo olona natao fitiliana teto Madagasikara tato anatin'ny 24 ora... ♦ Ampidirina ho isan'ny rafitra hitsaboana ny olona mararin'ny Coronavirus any Congo Brazzaville ny Tambavy CVO an'i Madagasikara... ♦ Hamoraina ny fitsirihana ara-teknika ireo fiara fitateram-bahoaka ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ato anatin'ny 15 andro...

♦ Laharam-pahamehana amin'ny fanarenana ny toe-karena amin'izao fiatrehana krizy izao ny fanohanana ny tantsaha amin'ny famokarana sakafo... ♦ Handalo indroa any an-tokantrano ny mpiasan'ny Jirama maka ny marika fandaniana ary manatitra faktiora... ♦ Mitaky fifampidinihana manoloana ny disadisa amin'ilaiy toerana hananganana ny tsena manara-penitra any Ambovombe ny mpisolovava Maître Willy Razafinjatovo...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...