♦ Niampy 6 indray tato anatin'ny 24 ora ireo olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 eto Madagasikara. 88 izany ny fitambaran'izy ireo ary 7 kosa ireo efa sitrana soa aman-tsara... ♦ Mbola tsy any amin'ny fampidirana vaksiny mihitsy aloha i Madagsika amin'izao fotoana izao, amin'ny ady amin'ny tsimok'aretina Coronavirus...

♦ Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny fahasalamana. Mankahery ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra maneran-tany ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana... ♦ Tsy maintsy apetraka amin'ny toerana voatokana sy voahara-maso avokoa ireo mpandeha ivelan'ny faritra tonga any Boeny...

Talata 07 aprily 2020 — Talata masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38 — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin'ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak'ondry bonaika hovonoina.

♦ Olona folo vaovao indray no voaporofon'ny Institut Pasteur androany fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19. Tsy voahaja anefa amin'ny ankapobeny ireo toromarika tokony arahana amin'izao fihibohana izao... ♦ Anatin'ny Herinandro Masina isika amin'izao fotoana izao, hoy ny HFKF na ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina ho an'ny Firenena, izay nanao hetsika manokana nanomboka ny alahady 29 marsa hatramin'ny alahadin'ny Paka...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...