Ny "crampe" dia fivokonan'ny ozatra tampoka na mikainkona, tranga mahakasika ireo mpanao fanatanjahantena matetika. Ny ozatra (muscle) misy karazany : "strié" amin'ny faritry ny ratsam-batana, "lisse" any amin'ny taova. Raha ny any amin'ny lalan-dra no mikainkona dia io ilay ahatao hoe "spasme". Antony : havizanana be loatra, tsy ampy fanafanan-tena mialohan'ny fanaovana fanatanjahantena, tsy fahampiana magnesium... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Handray ny La Croix-ny JMJ Mada sy ny Icône an'i Masina Maria anio ny tanora any amin'ny Diôsezin'i Toamasina. Toamasina izay handray ny JMJ Mada andiany faha-11 ny volana aogositra 2026... ♦ Hivory etsy amin'ny CCI Ivato anio ny Troikan'ny SADC, ahitana ny filoha Zimbabweana, filoha amperin'asan'ny SADC, ny filoha Malagasy handray ny fitantanana hanomboka anio ary ny filohan'i Angôla, filoha nitantana ny SADC teo aloha... ♦ Misokatra ho an'ny be sy ny maro nanomboka androany ny fitanterana amin'ny alalan'ny tariby "Teleferika". Nitokana tamin'ny fomba ôfisialy ny foto-drafitr'asa teny Ivandry omaly ny filoham-pirenena Rajoelina Andry...

Teboka maro momba ny fifandraisan'i Masina Maria amin'i fiainam-pahazazan'i Jesoa Kristy : Midodododo i Masina Maria mamonjy ny sahirana (tamin'ny famangiana sy fanampiana an'i Elizabeta rahavaviny) ; sady miresaka amin'ireo madinika sy ny manan-kaja (ireo Majy sy ny mpiandry ondry) ; fahatongavan'i Jesoa ho nofo, tsy nikasika ny fahadiovan'i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Fahombiazana no azo amehezana ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Toe-karena eny ambanivohitra (FIER MADA) andiany faha-26, natao teny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka, nandritra ny 5 andro. Afapo ireo tantsaha aévy amin'ny Faritra 24 nitondra ny vokany teto an-drenivohitra. Tonga marobe ny mpitsidika. Nahatratra 100.000 ireo olona nifamezivezy teny Andohatapenaka nandritra ny fotoana nanaovana ny Foara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...