♦ Naneho ny heviny, Mompera Rakotondranaivo Herisoa José Gaston, taorian'ny fanendrena azy, ho lehiben'ny fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice... ♦ Tokony nakàna hevitra ireo mpisehatra rehetra, vao nisy ny fanolorana tolo-dalàna hanavaozana ny lalàm-pifidianana hoy ny Sampana Safidy... ♦ Efa tapi-dalan-kaleha ny fitondram-panjakàna Malagasy ka tsy antenaina hitondra fampandrosoana an'i Madagasikara intsony, raha ny nambaran'ny solombavambahoaka avy amin'ny vovonana Firaisankina... ♦ Taorian'ny fifanafihan'i Israely sy Iran omaly, dia manahy mafy amin'ny fihitaran'ny ady any amin'ny faritr'i Moyen-Orient ny firenena hafa...

♦ Notendren'ny lehiben'ny Fikambanana Saleziana maneran-tany, Mompera Fabio ATTARD, ho Lehiben'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston... ♦ Nihintsana teo amin'ny ankatoky ny famaranana (démi-final" ny ekipam-pirenena Malagasy tamin'ilay COSAFA CUP 2025. Lavon'i Angola tamin'ny isa 4 no ho 1 ny Barea omaly...  ♦ Notanterahana omaly teny amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha ny fanokafana ny fankalazana ny andron'ny tambazotry ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana andiany faha-13...

14 jona — Anarana fanta-daza ao amin’ny Baiboly ny hoe Elisée na Elisea arakaraka ny dikan-teny izay misy eo amintsika raha mamaky ny Bokin’ny Mpanjaka isika. Zanak’i Safata mpaminanin’ny lalàna, mpianatra sady mpandimby an’i Elie mpaminany.

Na inona na inona fivoriana manotrona ny Alitara ka mifanaraka amin'ny fandraharahàna masin'ny Eveka dia fambaran'ilay fitiavana sy firaisan'ny Vatana izay hany azo anantenana famonjena. Ao amin'ny Eokaristia no anisan'ny sehatra hitoriana ny Vaovao Mahafaly, hanangonana ny mpino hankalazana ny Misterin'ny fanasan'ny Tompo, ireo rehetra miombona amin'izany dia atambatry ny vatan'i Jesoa... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...