♦ Hiakatra Fitsaràna anio ao Toliara raha tsy misy fiovana ny mpitarika ny Antoko Otrikafo Elia Rabevahiny sy ireo olona 5 hafa niara-voasambotra taminy, efa naovotsotra ireo mpanao gazety roa taorian'ny fanadihadiana natao azy... ♦ Voasoroka avokoa ny olana nahina tamin'ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea teknika noho ny fiaraha-mientan'ny mpiasa rehetra hoy ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak'asa... ♦ Ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo :  Ôfisialy ny fidiran'i Madagasikara anatin'ilay vondrona misehatra amin'ny tontolon'ny angovo azo havaozina (SACREEE)...

♦ Voasambotra ireo olona miisa roa namoahana filazàna fikarohana mikasika ilay raharaha fiaramanidina miisa dimy tonga tany Iran... ♦ Manahy ny O.S.C.I.E fiaraha-monim-pirenena misehatra amin'ny harena ankibon'ny tany fa hataon'ny Fanjakàna antsokosoko ny fanavaozana ny lalàna L.G.I.M, Lalàna mifehy ny fampiasam-bola vaventy eo amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany... ♦ Misy manararaotra resaka politika avokoa ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Nanentana ny tanora rehetra ho vavolombelon'ny Fiadanan'i Kristy ny Papa Léon-XIV...

♦ Niantso ny Interpol sy ny FBI ary ny Aviation Civile Iraisam-pirenena ny Fanjakàna Malagasy, noho ny raharaha Boeing mitondra laharana Malagasy any Iran. Nanazava ny momba izay ny Praiministra, omaly... ♦ Mety hanova ny fanapahan-kevitr'Andriamatoa Donald Trump momba an'i Madagasikara io raharaha fiaramanidina tafiditra any Iran io, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray. Asa 70.000 farafahakeliny no ahiana ho very eto Madagasikara anatin'ny AGOA... ♦ Handray ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika amin'ny taranja karaté i Madagasikara amin'ny taona 2026... ♦ Niverina tamin'ny fanapahan-keviny i Etazonia ka nitsipaka ny ACCORD DE PARIS...

Antsoina hoe "Renin'Andriamanitra" i Masina Maria satria niteraka ny zanak'Andriamanitra ho olombelona, ho ety ambonin'ny tany. Isan'ny vahoakan'Andriamanitra mila famonjena ihany koa i Masina Maria reniny. "Theotokos" dia hanondroana an'i Masina Maria, atao hoe "Renin'Andriamanitra", zava-boahary niteraka ny zanak'Andriamanitra, Andriaminitra sady olombelona i Jesoa... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...