Manana zo hanohitra ny olona iray. Misy karazana 2 ny fanoherana dia ny fanoheran'ny tsirairay sy ny fanoheran'ny vondron'olona ; ohatra hoe mbola tsy vita ny fifidianana dia efa manohitr. Manana zo hanohitra amin'ny anaran'ny konsiasa na ny feon'ny heritreritra ny tsirairay. Ohatra : Rehefa mahakasika ny aina toy ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Talata 4 aprily 2023 — Talata Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 21-33. 36-38)

♦ Mahatratra hatrany amin'ny 1 miliara Dolara, ny fatiantoka ateraky ny lozam-pifamoivoizana, raha ny antontanisa avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Maherin'ny 10 isan'andro, eto Madagasikara, ny olona maty eny an-dalambe... ♦ Nitokona indray ny mpianatra any amin'ny Oniversiten'i Mahajanga androany. Mitaky ny handoavana ny vatsim-pianarana dimy volana sy ny fampitaovana azy ireo... ♦ Niisa fito ireo olona varira nisy naka an-keriny hatramin'ny fiandohan'ity taona ity ka ny iray tamini'reo no namoy ny ainy...

♦ Hotontosaina ny alahady fankalazana ny Famindrampon'Andriamanitra, ny 16 aprily ho avy izao, ny fitsofan-drano sady fanambarana araka ny fomban'ny Eglizy, ny maha Sanctuaire an'i Jesoa be Famindrampo, ilay paroasy fahatelo ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Tanora 644 no niatrika ny Sampakazon'ny tanora ho an'ny tao amin'ny Diôsezin'i Mananjary, Faritra Dehoniana; ka lohahevitra nobanjinina nandritra izany, nanomboka ny 30 marsa hatramin'ny 2 aprily ny hoe: "Tanoran'i Kristy, miara-dia"... ♦ Ny 31 marsa hatramin'ny 2 aprily no notontosaina ny fivoriam-ben'ny Firohotana Iray Aina, ao amin'ny Diôsezin'Ambanja...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...