Hoy ny Papa Léon XIII : ny fiaraha-monina rehetra dia mila mpitondra hifehy azy ; ilaina io mba hampiombona. Anjara andraikitry ny mpitondra no mikatsaka ny soa iombonana, mizara izay sahazan'ny tsirairay avy, ary manampy ny tsirairay hitombo sy hivelatra. Ny toetran'Andriamanitra, ilay tsy manavaka fa mitsinjo izay ilain'ny rehetra no tsy maintsy ho toetran'ny mpitondra. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Alarobia 1 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)

♦ Nanolotra fiara efatra ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamana, ampiasaina any amin'ny faritra atsimon'ny nosy, ny PNUD... ♦ Nankahery ireo mponina tao Nosy Varika, niharan'ny vokadrasty navelan'ny rivodoza Freddy, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, androany... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny vehivavy mandray anjara amin'ny raharaham-panjakana eto Madagasikara. Nikarakara atrikasa nanasana ireo mpandinika ara-piaraha-monina, nijerena ireo sehatra tsy afahana manome sehatra ny vehivavy, ny Filankevi-pirenen'ny Vehivavy eto Madagasikara...

♦ Fitadiavana famatsiam-bola amin'ny fifidianana, no antony nampiova hevitra ny fanjakana Malagasy tamin'ny latsa-bato momba ny raharahan'i Ukraine, hoy ny Antoko Fiombonana. Fiovan-kevitra tao aorian'ny fanovana ireo mpikamban'ny Governemanta, farany teo... ♦ Manome 72 ora ny tompon'andraikitra, ireo mpampianatry ny CEG sy ny Lycée any Alakamisy Itenina, hamahana ilay raharaha tsy faneken'ny mpianatra vitsivitsy hihira ny hiram-pirenena. Milaza ho manaraka akaiky ity raharaha ity ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...