♦ Mpikirakira tambazotran-tserasera Facebook miisa roa no nampidirina am-ponja vonjy maika tao aorian'ny fihainoana azy ireo... ♦ Lohan'afo efatra avy no nitarika ny firehetana tany amin'ny faritra arovana Baie de Baly sy ny valan-java-boahary Ankarafantsika. Efa mandeha ny fanadihadiana ankehitriny... ♦ Ho tara ny rotsak'orana eto Madagasikara noho ny fikorontanan'ny toetrandro. Fahatarana toy ny efa hita tao anatin'ny roa taona...

♦ Hanomboka anio 1 ôktôbra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Miisa 5000 ireo mpanisa mpifidy hitety tokantrano manomboka anio... ♦ Nolaniain'ny Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo ny soso-kevitra fanomezan-dalana ireo Taxi-moto hiasa ao an-drenivohitra. 27 ireo mpanolotsaina nandany izany raha nivoaka ny efitrano kosa ireo tsy nankatoa... ♦ Tsy eken'ireo mpanao gazety any Bongolava ny fanilikilihana sy ny fanivanana mpanao gazety, izay nataon'ny mpitantana ny Faritra...

01 ôktôbra — I Thérèse de l'Enfant Jésus, na i Thérèse de Lisieux na i Thérèse Kely, dia teraka ny 02 janoary 1873, ary roa andro tao aorian'io, izany hoe ny 04 janoary izy no natao Batemy tao amin'ny fiangonana Notre-Damle d'Alençon. I Louis Martin no rainy, mpanamboatra famantarandro izy io, ary Zélie-Marie Guérin no reniny, mpanao dentelles no asany. 

Aoka ho fantatsika fa ny "safidy" ao amin'ny olombelona dia anisan'ny fanomezan'Andriamanitra ambony indrindra, ka na Izy Mpahary aza dia manaja io safidy mipetraka amintsika olombelona io. Apetrany amintsika olombelona ny safidy na hanaraka ny lalan'ny fiainana na ny lalan'ny fahafatesana. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...