Notendren'ny Papa François androany, ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja, i Mompera Donatien Francis Randriamalala, pretra avy amin'ny fikambanana Missionnaires de Notre-Dame de La Salette.

♦ Mifanalavitra amin'ny zava-misy iainan'ny mpanjifa sy ny iraka nampanaovina an'ireo Tale mpanatanteraka eo anivon'ny orinasa Jirama, ny valin'ny tomban'ezaka natao. Tsy mifandanja amin'ny vola hanarenana ny orinasa Jirama koa ny vokatra azo... ♦ Iray amin'ireo firenena 26 hisitraka famatsiam-bola hanatsarana ny fitaovana fitiliana ny toetrandro, i Madagasikara, nandritra ny COP27... ♦ Tsy manan-kialofana, fa any an'ala kafe ankehitriny, no miezaka monina ny ankamaroan'ireo olona lasibatry ny hay trano tao Evato Farafangana. Miantso ireo malala-tanana ny zanaky ny Faritra Atsimo Atsinanana...

Zava-dehibe eo amin'ny singa maha-olona ny safidy ka tsy azo tsinotsiniavina. Noho izany dia mila saina mahay mandinika sy malina tsara eo am-pandraisana safidy satria ny fiantraikany tsara na ratsy vokatry ny safidy natao dia mety hoenti-maty na ho an'izay nanao azy na ho an'ny hafa ihany koa... Fandaharana "miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

11 nôvambra — Teraka ny taona 316 tao Pannonie, tananan'i Sabaria, izany hoe Szombathely ao Hongrie amin'izao fotoana izao, i Martin. Avy ao Pavie, Italie avaratra ny rainy. Miaramila manamboninahitra tao am'ny tafiky ny empire romanina io rainy io. Ary tsy mahagaga ny anarany raha nataon'ny rainy hoe Martin, izay midika hoe manaja an'i Mars, andriamanitry ny ady ho an'ny romanina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...