♦ Ny orinasa Green Mada Land no nahazo ny fifanarahana hanofa mandritry ny 50 taona azo havaozina ny Nosy Sakatia araka ny fampahafantarana nataon'ny Ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany... ♦ Anjaran'ny Faritra Anôsy indray no nisitraka ny fandaharan'asa Fijery Hafa ka vehivavy voafonja miisa 15 nahavita fiofanana momba ny zaitra tao amin'ny fonjan'i Taolagnaro no notoloran'ny Ministeran'ny Fampianarana teknika sy Fanofanana Arak'Asa mari-pahavitana fiofanana... ♦ Miditra amin'ny andrana ara-teknika tapany fahatelo ny zotra volomboasary miainga eo amin'ny La City Ivandry hatrany Ambatobe ny fitanterana an-tariby (TPC)...
♦ Olona miisa 8 no voasambotra, nisy ny naratra vokatry ny fifandonana teo amin'ny vahoakan'i Toliara sy ny mpitandron'ny filaminana omaly alahady, tsy tontosa ny hetsika famoriam-bahoaka nokasain'ny solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko natao tao antampon-tanànan'i Toliara... ♦ Nahemotra amin'ny volana aogositra izao indray ny fahatongavan'ny kabeson'ny Ampanjaka Toera an-tanindrazana, tapaka izany taorian'ny fihaonan'ny solontenan'ny fianakaviana sy ny olom-boafidy tamin'ny filoha Andry Rajoelina... ♦ Tsy nahitana fiakarany ny vidin'ny lasantsy sy ny gazoaly raha niakatra 200Ariary isaky ny litatra ny solika fandrehitra...
Vao nigadona ny volana avrily dia efa nafana ny toe-draharaha tao Andrenivohitr’i Gasikara. Ambony be ny fanantenana fa hiverina araka ny nampanantenain’ny mpitantana azy ny hasin’Antananarivo amin’ny maha renivohitra azy eo amin’ny lafiny filaminana sy fahadiovana ary fandriam-pahalemana. Telo andro teo no nanomanan’ny ekipan’ny Ben’ny Tanàna ireo mpivarotra amoron-dàlana fa tsy maintsy hirosoana ny famindran-toerana azy ireo mba ahafahana manadio ny toerana, hampalalaka ny làlana ary ny fanatanterahana ny foto-drafitrasa kasain’ny Kaominina ho tanterahina.
07 aprily — I Masindahy Jean-Baptiste de La Salle dia pretra frantsay, nitondra fanavaozana teo amin'ny fomba fampianarana. Nanokana ny fiainany amin'ny fanabeazana ny zaza mahantra izy ary mpanorina ny fikambanana Frères des Écoles Chrétiennes.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco