Tsy misy teraka tonga dia Mpandraharaha-Masina fa ny tontolom-pivoaran'ny fiainana no mahatonga ny olona iray ho amin'izany lalana izany. Ny tontolo mamolavola ny fiantsoan'Andriamanitra dia ny fianankaviana, ny fiaraha-monina, ary ny ankohonam-piangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Zoma 26 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 1-13

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny JMJ Mada X, ny Faritra Vakinankaratra. Androany alakamisy ny no napetraka ny lapihazo sy ny "chapiteau" lehibe handraisana ny hetsika, hoy ny Governora any an-toerana... ♦ Ahiana hiverina indray ny kere any amin'ny faritra atsimo, raha tsy mahazo rotsak'orana ato anatin'ny enim-bolana farafahatarany. Nanazava momba ny ady amin'ny hanoanana any an-toerana, ny Governoran'Androy androany... ♦ Mbola tsy misy fandraisana andraikity Governemanta hatramin'izao, momba ny lalaon'ny nosy hotanterahana eto amintsika...

♦ Tanterahana ao Moramanga mandritra ny 5 andro ny atrik'asan'ny Filan-kevitra Nasiônaly ho an'ny Fanabeazana Katôlika. Manana solontena avokoa ny diôsezy manerana ny nosy. Atrik'asa andinihana ny fiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2022-2023... ♦ Hanomboka ny voalohan'ny volana septambra ho avy izao ny fikarakarana fanoratam-pahaterahana faobe ho an'ireo olom-pirenena tsy afaka nisitraka izany sy ny fanomezana kara-panondrom-pirenena ho an'ny feno 18 taona. Miisa 3 tapitrisa ny olom-pirenena hisitraka izany... ♦ Nanolo-kevitra ny handrafetana ny pôlitikan'ny harena ankibon'ny tany mialohan'ny hanaovana ny lalàna mifehy izany ny firaisamonim-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...