Ny tontolo misy ny vehivavy reny ankehitry dia feno rotoroto sy ahiahy eo koa ny fisedrana ny fanatontoloana. Ny tontolon'izy ireo dia feno rentirenty sy fahasahiranana. Na eo aza iretsy voalaza iretsy dia tokony tsy hanadino loatra ny tenany ny vehivavy : ara-sakafo, ny fikarakarana vatana. Ilaina ny mifanatona, tsy mandeha irery. Mila mifankahazo tsara ny olona lahy sy ny vavy. Tsy hakivy dia tokony hahay hijery lafintsara foana isika. Itoeran'adidy lehibe ny vehivavy ka tokony hahery amin'ny famolavolana ny toe-tsain'ny ankohonana. Mila tohanana ny reny : Fifanampiana amin'ny raharaha ao an-trano, eo amin'ny fanabeazana ny taranaka ka mandrisika ny rehetra hitady ny fomba rehetra ary hiomana amin'ny fikarohana zavatra maromaro...
♦ Nisafidy ny hiara-hiasa amin'ny federasiona Arabo ho an'ny toe-karena nomerika i Madagasikara ho fanatanterahana ny fiovana nomerika hoy ny filohan'ny repoblika Malagasy, tanatin'ny kabariny tamin'ny fanokafana ny famelabelaran-kevitra sy ny fampirantiana momba ireo teknolojia ara-toe-karena atao any Emirats Arabes Unis... ♦ Notanterahana omaly ny CEPE Katôlika nizotra antsakany sy andavany izany... ♦ Nihena ny tahan'ireo tanora mifoka sigara teto Madagasikara raha ny antotanisa tamin'ny taona 2018 vokatry ny fanentanana natao teny anivon'ny sekoly, nomarihina omaly ny andro maneran-tany iadiana amin'ny fifohana sigara...
Mafy ny fifanatrehana sy ny sedra manoloana ny fandrosoana ara-teknolojia, hany ka mahasarotra ny fiarovana ny aina ihany koa izany. Ny asa fahariana dia mifototra amin'ny tso-drano avy amin'Andriamanitra. Ny fiombonan'aina eo amin'ny mpivady dia mahatonga azy ireo ho tompon'andraikitra. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 1 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11b-19
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco