♦ Niditra an-tanety ny rivodoza Emnati. Tany amin'ny distrikan'i Vondrozo no nisy ny ivony tamin'ny 6ora maraina teo... ♦ Manentana ny rehetra hiombom-po sy hiray saina, ny filoha lefitry ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Fulgence Rabemahafaly mba tsy hisian'ny fanararaotana amin'izao rivodoza izao... ♦ Trano 97 no indray nodoran'ny dahalo tany amin'ny tanàna Mahasoa, kaominina Tsivory, Amboasary-atsimo, olona 350 no tsy manan-kialofana...

Nisafidy ny hahantra ny relijiozy, izay tsy midika hoe tsy manana na fadiranovana ny relijiozy. Miezaka ny hanana fahafahana anaty ny relijiozy manoloana ny haren'ny tany mba hanatanterahany ny hafatr'i Jesoa, izay voasoratra ao amin'i Mt 6, 25. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alarobia 23 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 37-39

♦ Hiditra an-tanety anio alina, eo amin'ny fisasahan'ny Distrikan'i Manjary sy i Manakara i Emnati, amin'ny tanjaka rivodoza mahery... ♦ Manentana ny rehetra haneho ny fiombonana sy ny firaisan-tsaina mba tsy hisian'ny fanararaotana sy ny halatra amin'izao fandalovan'ny rivodoza Emanti izao, i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'i Fianarantsoa, Filoha Lefitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...