Alatsinainy 22 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4

Antso hizoran'ny maro ny fahamasinana "ny fanambadiana", nefa mapametra-panontaniana matetika ny hoe " tena afaka hitondra amin'ny lalan'ny fahamasinana marina ve io safidim-piainana iray io?". Indraindray aza toa alaim-panahy hilaza fa diso safidy na diso lalana mihintsy ka lasa mitomany ny randrana manendrika ny hafa. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Alahady 21 novambra 2021 — I Jesoa Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 33b-37

Ny tontolo iainana dia ireo rehetra manodidina sy iankinan'ny fiainantsika olombelona toy ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny rano, ny rivotra, ny masoandro, ny zava-maniry, ny ranomasina. Fahasalamana mira aina, raha misy fahasimbana ireo voatanisa eo aloha ireo dia misy fiatraikany amin'ny fahasalamana. Ohatra ny fahalotoan'ny rivotra dia miteraka olana amin'ny taovam-pisefona, miteraka tsy fahasalamana lasa mikohoka, voan'ny sery, sepotra. Ny rano misy loto dia miteraka aretina maro...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...