Alatsinainy 13 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ho avy ny Tompo, tsenao izy; Izy no Mpanjakan’ny fiadanana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27
"Raha misy maniry ny raharahan'ny pretra dia maniry raharaha tsara indrindra izy" (I Tim 3,1). Maro ireo asa sy andraikitra sahanin'ny pretra, akara izany, miavaka ny "fiofanana" arahina mialoha ny hirosoana amin'ny maha-mpandraharaha masina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alahady 12 desambra 2021 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 10-18
Sehatra telo no sarobidy amin'ny famolavolana ny fiantsoan'Andriamanitra ho Mpandraharaha masina : ny fianakaviana izay seminera voalohany, ny fiaraha-monina, indrindra ny sekoly sy ny fanabeazana, ary ny ankohonam-piangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco