Talata 4 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 34-44

♦ Handà hatramin'ny farany ny fametrahana fotodrafitr'asa mifandraika amin'ny téléphérique ao amin'ny faritry ny Kolejy Masina Misely ny tompon'andraikitry ny kolejy... ♦ Mihatra avy hatrany amin'ireo tsy manaraka ny fepetra iadiana amin'ny Covid-19 ny sazy manomboka izao, araka ny didy navoakan'ny Prefektioran'Antananarivo... ♦ Manambana ny hiverina hanaitra ny mpitondra amin'ny alalan'ny fidinana an-dalambe kosa ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa, amin'ity volana janoary ity...

♦ Nirary soa ho an'ny vahoaka Malagasy noho ny taona vaovao ny Filohan'ny FFKM, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, ny Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ary ny Kardinaly Tsarahazana Désiré... ♦ Nofoanana ary hahemotra amin'ny andro mahamety azy ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Naneho ny fankasitrahany ny Filohan'ny Repoblika Italianina, Sergio Mattarella, ny Papa François tamin'ny famaranana ny vavaka Angelus ny 1 janoary 2022...

♦ Maniry ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, mba ho tena taona hanatanterahan'ny mpitondra ny fampanantenany ity taona 2022 ity... ♦ Hiroso amin'ny fampanaraham-penitra ny fadintseranana malagasy amin'ity taona 2022 ity... ♦ Namoy mpikambana ny ao amin'ny HAVATSA-UPEM sy ny tontolon'ny pôezia malagasy. Nodimandry i Rakotosaona Raolisoa Agnès, mpampianatra sy mpanoratra boky...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...