Tsy resaka mivantana no nandraisan'i Masina Maria ny antson'Andriamanitra fa tamin'ny alalan'ny anjely, araka ny Lk 1, 26-38. Ny anjely dia tahaka ny vavan'Andriamanitra miresaka amin'i Masina Maria. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Talata 14 septambra 2021 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17

♦ Mbola mikatso tanteraka ny fampianarana any amin'ny Oniversiten'i  Maninday-Toliara, raha ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpianatra avy any an-toerana... ♦ Tsy voafehy amin'ny asa tanamaro ataon'ny fokonolona intsony ankehitriny ny fifehezana ny afo any Ankarafantsika, hoy ny ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Miroso amin'ny fampiharana ny lalàna amin'ny fandraràna ireo taxi-moto ny pôlisim-pirenena...

♦ Tokony ho hita mialohan'ny oktobra ny vola atokana amin'ny famonoam-balala eto Madagasikara hisorohana ny mety ho fahasarotan'ny asa... ♦ Tontosa ny sabotsy teo ny famoriam-bahoaka nataon'ny RMDM tao Antsirabe an-tampon-tanàna, nanambaràna ireo fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihaonambe natao teo Antananarivo farany teo... ♦ vonona hiaino ny olan'ireo mpiara-miasa, momba ny fitantanana ny ministera, ny ministry ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak'asa...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...