Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny Finoana ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Na ny finoana kristiana, na ny finoana silamo, na ny finoana mandala ny fomba nentim-paharazana malagasy, na ny finoana hafa dia samy manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana avokoa noho izy ireo iombonan’ny olona maro. Araka izany dia afaka miara-miasa ireo antokom-pinoana maro eto Madagasikara, mitady vaha-olana maharitra sy tsara kokoa entina miaro ny tontolo iainana, mamerina ny tontolo iainana amin’ny laoniny ary entina mampalefaka kokoa ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetr’andro.
Zoma 3 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 27-31
♦ Tsy mbola mieritreritra hanakatona sisin-tany ny fitondram-panjakana, manoloana ny fisian'ilay Covid-19 amin'ny endrika Omicron, hoy ny Praiminisitra... ♦ Nitondra fanazavana momba ilay fangatahana fampiatoana famoaham-bola eo anivon'ny Minisitera foibe misahana ny tontolo iainana androany, ny Minisitra lefitra... ♦ Polisy am-polony tamin'ity taona ity no natolotra ny fitsarana, noho ny fandikan-dalana sy tsy fanajana ny fitsipi-pifehezana...
♦ Manontany ny mpikamban'ny governemanta momba ny fitantanana ny raharaha-panjakàna, etsy amin'ny CCI Ivato ny solombavambahoakan'i Madagasikara... ♦ Hodinihana mandritra ny dinik'asam-pirenena momba ny fiompiana etsy amin'ny CCI Ivato ny 9 hatramin'ny 11 desambra izao, ny paik'ady ho fameloma-maso ny fiompiana eto Madagasikara... ♦ Nanentana ny lehilahy tao an-drenivohitra tsy hampiatra herisetra amin'ny ao an-tokantranony ny tetik'asa Sahala... ♦ Nifanakalo hevitra momba ny mety na tsy hahatomombana ny fifidianana any Lybie ny mpitondra libianina sy ny firenena mikambana...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco