Mpisorona manjaka ny kristianina, ary Kristy no mpisorombe, mpisorona ho an'Andriamanitra Rainy. Ny vita batemy dia voahasina ho tempolin'ny Fanahy Masina sy ho mpisorona masina mba hanolotra fanatitra ary mba hanambarana ny fahefan'ny naniraka azy hiala amin'ny haizina ka handeha any amin'ny fahazavana. Ny mpianatr'i Kristy rehetra dia vavolombelon'i Kristy eran-tany... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
6 marsa 2025 — Alakamisy, manaraka ny Lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 22-25)
• Mafampana ny tsy fandriam-pahalemana any Toamasina. Lehilahy iray 23 taona, maty noho ny tsatoka antsy miisa telo nihatra taminy... • Ilaina ny fifampidinihana eo amin'ny mpitatitra sy ny fanjakana, mba hisorohana ny fampakarana saran-dalana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... • Tsy manana sora-bola manokana entina hanampiana ireo traboina ny Solombavam-bahoaka, fa anjara andraikitry ny fahefana mpanatanteraka izany, hoy ny Solombavam-bahoka, Jean Jacques Rabenirina...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco