Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe: "Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra. Toy izany koa, ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana. Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina ka manao hoe: ‘Raha izahay no mba tamin’ny andron’ny razanay, dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran’ny mpaminany izahay.’ Koa amin’izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona fa zanak’izay namono ny mpaminany ianareo. Fenoy àry ny famaran’ny razanareo!"
Tamin’izany andro izany, nifanena tamin’i Natanaely i Filipo dia nanao taminy hoe: "Efa hitanay Ilay voalazan’i Môizy tao amin’ny Lalàna, sy nambaran’ny Mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta." Ka hoy i Natanaely taminy: "Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta?" Dia hoy i Filipo taminy: "Avia, ary zahao." Nony nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa dia nilaza azy hoe: "Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka." Ka hoy i Natanaely taminy: "Ahoana no nahalalanao ahy?" Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao." Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: "Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely." Ary hoy i Jesoa taminy: "Mino ianao, satria nilazàko fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao." Dia hoy koa Izy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: "Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo. Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo. Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny tempoly, dia voafehy izy. Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena? Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny ôtely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy. Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra? Koa amin’izany izay mianiana amin’ny ôtely, dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny; izay rehetra mianiana amin’ny tempoly, dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny; ary izay mianiana amin’ny lanitra, dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy amin’izay mipetraka eo amboniny."
Tamin’izany andro izany, ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina, dia nivory izy rehetra; ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe: "Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin’ny lalàna?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy amin’ny fanahinao rehetra, ary amin’ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin’izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany."
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco