Ny fanampiana dia azo atao amin'ny fomba maro : fotoana, fahalalana, talenta, fananana, vola. Raha misy ny faharesen-dahatra noho ny fanarahana ny fandaharana "mba ho vanona" dia tanteraho fa hanova ny fiainanao. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Hifidy izay ho solontenan'ny mpanao gazety handrafitra ny CENI vaovao ny holafitra anio tolakandro. Miisa 7 ireo kandidà nirotsaka ho fidiana... ♦ Hatsangana eo amin'ny toerana nisy ny Radio Nasionaly Malagasy may tamin'ny taona 2009 ny Auditorium na ny Havoria. Toerana hanaovana lanonana hahazaka mpijery 700... ♦ Mila mandray vahaolana maika ny fitondram-panjakàna manoloana ny tsy fisian'ny fandriamam-pahalemana hoy Andriamatoa Tsivahiny Herman...

Betsaka ireo tanora no diso fanantenana noho ny tsy fahombiazana eo amin'ny fiainana. Isan'ny anton'izany ny hakamoana sy ny fiononana fotsiny amin'izay eo an-tanana. Mandiso hevitra azy ireo ny fampanantenana poakaty sy manodoka izay mitondra mankany amin'ny hafaliana sandoka. Ilaina ny fahaizana mandanjalanja manoloana ireny. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alakamisy 28 oktobra 2021 — Masindahy Simona sy Joda, Apôstôly — Midera Anao izahay, Ry Andriamanitra ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...