Tamin'izany andro izany, maro tamin'ny Jody no tonga tao amin'i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan'ny anadahiny. Vantany vao ren'i Marta fa hoe tamy i Jesoa, dia nandeha nitsena Azy izy, fa i Maria no nijanona tao an-trano. Dia hoy i Marta tamin'i Jesoa : "Raha tatý Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin'Andriamanitra, dia homen'Andriamanitra Anao". Hoy i Jesoa taminy : "Hitsangana ny anadahinao". Fa hoy i Marta taminy : "Fantatro fa hitsangana izy amin'ny farandro fitsanganan'ny maty". Hoy i Jesoa taminy : "Izaho no fananganana sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray ; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Nino izany va ianao?" – "Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak'Andriamanitra velona, Ilay hoe ho tonga amin'izao tontolo izao".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io. Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara. Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy."
♦ Tokony sokafan'ny Fanjakàna amin'izay ny orinasa nakatona noho ny antony samihafa hoy Profesora Ralison Roger mpahay toekarena sy fitantanana. Ny ahafahan'ny olona misitrak'asa no tanjona... ♦ Tsy mbola tara ny fitarainana ataon'ireo vovonam-pikambanan'ny tantsaha manao antso avo mitaky ny tsy hankatoavana ny lalàna momba ny fananan-tany nolanian'ny solombabambahoaka ny 30 jona teo ho ny MDB... ♦ Nihazo an'i Japon handray anjara amin'ny lalao olympiques hanomboka ny zoma izao ny atleta malagasy...
♦ Hotanterahana eto Antananarivo manomboka ny zoma izao mandritra ny roa andro ny fikaonandoham-pirenena hataon'ny vondron'ny mpanohitra RMDM. Nasaina handray anjara ireo mpikambana any amin'ny faritra... ♦ Nihemotra telo volana ny fotoana fanombohan'ny doro ala sy tanety eto Madagasikara tamin'ity taona ity, hoy ny ministry ny tontolo iainana... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina, tranga vaovao miisa 13 no hita tamin'ny fitiliana miisa 100, ny talata teo, tsy nisy ny lavo...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco