Tamin’izany andro izany, rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa, dia nipetraka tao amoron-dranomasina. Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano. Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe: "Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy; ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy; ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!"

lndray andro, raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Jesoa, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy, ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: "Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady Anao." Fa izao no navaliny an’ilay nilaza taminy: "Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?" Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: "Ireo no reniko sy rahalahiko. Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko."

Tamin’izany andro izany, ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly an’i Jesoa nanao hoe: "Tompo, mba te-hahita famantarana avy aminao izahay." Fa namaly Izy ka nanao hoe: "Mangata-pamantarana itý taranaka ratsy sy mpijangajanga itý fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an’i Jônasa mpaminany izy; fa tahaka ny nitoeran’i Jônasa hateloan’andro sy hateloan’alina tany an-kibon’ny hazandrano lehibe no hitoeran’ny Zanak’Olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany koa. Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo nony nitorian’i Jônasa teny; nefa indro misy lehibe noho i Jônasa eto. Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy ka nankaty hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata. Ka lasa nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy. Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny; nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy, mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe: Indro ny Mpanompoko izay nofidîko, dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy. Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana; tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona, ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy; ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...