♦ Pretra iray avy amin'ny fikambanana Montfortain, no nohamasinina ho pretra omaly, tao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Feno 35 taona tamin'ny taon-dasa ny niorenan'ny fikambanan-dry Masera ZAFIMA na Zanakavavin'ny Fiangonan'i Mahajanga. Nomarihina omaly izany, tao amn'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Tontosa omaly, ny Zaikaben'ny MDMK tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé...
♦ Nisy novàna anarana ny ministera anatin'ny governemanta vaovao, nisy ny nozaraina roa ary misy ny nasiana ministera lefitra... ♦ Tanterahina anio sy rahampitso any Malawi ny fihaonana an-tampon'ireo filoham-panjakàna avy amin'ny firenena mpikambana ao amin'ny SADC, isan'izany ny filoha Andry Rajoelina... ♦ 200 000 daozy ny vaksiny fatra faharoa amin'ny Astrazénéca, tonga eto Madagasikara, hisokatra sy hiasa manomboka amin'ity herinandro ity ireo toerana hanaovana ny vaksinin'ny Covid, mandavan-taona...
♦ Miisa 32 ny mpikambana anatin'ny governemanta vaovao tarihan'Andriamatoa Ntsay Christian, nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy omaly hariva... ♦ Contrat-Programme-Résultat, ireo no fepetra mifehy ny mpikambana anatin'ny governemanta hoy ny Filoha Andry Rajoelina... ♦ Nanamarika ny 15 aogositra natokana ahatsiarovana ny nampiakarana an'i Masina Maria any an-danitra ny mpino katôlika manerantany, omaly... ♦ Handavan-taona amin'izay ny fanaovana vaksiny covid-19...
Tsy maintsy manova famindra isika mba hitandrovana ny soa iombonana. Manoloana ireo olana lehibe miseho eo amin'ny "tranobe iombonana" dia mitaky ny fiovan-toen-tsaina azo tsapain-tanana ny fiangonana. Fomba fiaina lavitry ny fitiavan-tena sy fanamparam-pahefana ary mitsinjo mandrakariva ny any aoriana. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco