25 febroary — Samy avy ao amin'ny Fikambanana salezianina i Luigi Versgila sy i Callisto Caravario ary anisan'ireo martiry 120 tao Chine.
Ny Soratra Masina, indrindra ny Evanjely dia samy maneho ny fiombonam-piainana nisy teo amin'i Jesoa sy ny Ray, ary tamin'ny toe-javatra natrehina dia hita miharihary ny vavak'i Jesoa maneho ny tsy maha irery Azy sy ny fitodiany mandrakariva amin'ny Ray. Anisan'ny mampiharihary ny maha kristianina ny fiombonany amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
25 febroary 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)
• Vinavinaina hitombo hery ka ho lasa rivodoza ao anatin'ny roa andro ireo faritra andro ratsy manodidina ny morotsirak'i Madagasikara. Tomombana amin'ny ankapobeny ny tontolo ivoaran'izy ireo... • Namory ireo mpiara-miombona antoka aminy amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny famoronana asa mendrika ho an'ny tanora, ny Don Bosco Madagascar. Tanjona ny hitadiavana ny fomba hanampiana ny tanora hananany asa mahavelona azy sy ho avy mamiratra... • Nosoniavina androany teny amin'ny Episcopat Antanimena ny fifanarahana eo amin'ny Vaomieran'ny Eveka ho an'ny Fahamarinana sy ny Fiadanana sy ny Orinasa Base Toliara. Miompana amin'ny fananan-tany ny fiaraha-miasa...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco