♦ Efa ao anatin'ny  fanatanterahana ny fandaharan'asa momba ny fivarotana entona "carbone" amin'ny alalan'ny fiarovana ny ala voajanahary i Madagasikara. Tafiditra amin'ny ezaka hanamafisana ny ady amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy, ireo no misintona ny entona manepotra... ♦ Ramanavy na "chauve-souris à ventouse" dia isan'ireo hita eto Madagasikara. Misy an'ilay karazany kely indrindra eto, ary miavaka noho ny firafitry ny tendron'ny tongony sy ny tanany, somary boribory sy misy fantsy maranitra... 

♦ Amperin'asa nanomboka androany ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny HCC. Tontosa androany maraina ny lanonana ara-pitsaràna momba ny fihanianan'izy ireo... ♦ Tsy sasatry ny manentana ny olom-pirenena hanao ny arovava sy orona eny amin'ny toerana ifamezivezen'ny olona ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny fiparitahan'ny Covid... ♦ Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra... 

Ianao ihany no sakana mampisy ny tsy fahatokisantena, nefa mety hitarika tsy fahombiazana izany. (07-04-2021)

♦ Tsy maharaka amin'ny fandraisana ireo mararin'ny Covid-19 intsony ny toeram-pitsaboana eto an-drenivohitra. Nampiana ny isan'ny CTC. Hapetraka ihany koa ny hotely hopitaly hanampiana ny toerana handraisana ny marary... ♦ Hisitraka fanampiana indray ireo olona marefo noho ny fiatrehana n y valan'aretina coronavirus... ♦ Nanao fihetsiketsehana teny Ampefiloha indray androany ireo tompon'ny orinasa sy ny mpiasa misahana ny fikojakojàna ny lalam-pirenena, tsy mbola voaloa hatramin'izao ny volan'izy ireo... 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...