Tsy nahafaly ny teo anivon'ny Banky Iraisam-pirenena ny tsy nampakarana ny vidin-jiro teo Madagasika, noho ny ambarany fa faty antoka mahazo ny orinasa Jirama vokatr'izany. Manambana ny tsy hanome famatsiam-bola araka ny tokony ho izy an'i Madagasikara izy raha tsy tanterahana izany, izay fifanarahana efa neken'ny ORE

Adidin'ny rehetra ny manohana ireo olona voatery manaraka fitsaboana mandram-pahafaty. Fahaiza-miaina sy mitia ny manohana ireo olona ireo satria matahotra ny fahasalamany ny maro amin'izy ireo ; misy sahirana ara-bola hividianana fanafody hitsaboana tena. Tsy misy afa-miala amin'izany manomboka eo amin'ny tenan'ilay marary sy ny ankohonany, hatrany amin'ny fanjakana...

Namoy ny ainy ny mpianatra iray tany amin'ny Oniversiten'i Toamasina, nandritra ny fifandonan'ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana, omaly. Efa tamin'ny volana jolay tamin'ny taon-dasa anefa no naloan'ny fitondram-panjakana ny vatsim-pianarana, ary voarain'ny Filohan'ny Oniversiten'i Toamasina sy Antsiranana izany...

Zoma 19 febroary — Zoma manaraka ny lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-15

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...