Maherin'ny 3600 ny traboina, iray no namoy ny ainy. Ny sekoly sy ny lalana ary ny tranom-panjakana no tena nahasimbana, vokatry ny fandalovan'ilay rivodoza Eloïse farany teo. Faritra fito no tena voakasika mivantana teto amintsika, fa Analanjorofo sy Boeny no tena voa mafy, raha ny tatitry ny BNGRC, io tolakandro io...
Noresahina nandritra ny diniky ny Mpamokatra nokarakarain'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly teny Nanisana tao Antananarivo renivohitra tamin'ity volana janoary ity ny momba ny fiovaovan'ny toetr'andro...
Misy mikasa hivarotra tany amin'ny vahiny any Nosy-Be, raha ny tatitry ny filohan'ny filankevitra monisipaly any an-toerana sady Loholona teo aloha, Joseph Yollande. Milaza ny tsy hanaiky izany, hoy izy, ny mponina any an-toerana ka mikasa ny hanao hetsika ho fenoherana izany...
Mifankahery sy mifanohana rehefa misy zava-tsarotra hatrehina satria mahatsiaro fa matahotra, osa, tsy manana ny ampy. Ilaina ny mifankahery sy mifanohana ara-batana, ara-tsaina, indrindra ara-panahy. Manamafy izany ny hafatry ny Pape François ho an'ny andro manerantany faha-29 ho an'ny marary ny 11 febroary 2021 : iray ihany ny mpampianatra anareo, ary mpiraharaly avokoa ianareo rehetra. Ny fifandraisana am-pitokisana no fototra amin'ny fikarakaràna ny marary...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco