Talata 24 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11 — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
♦ Tsy afaka ny hifaninana amin'ny fifidianana filohan'ny CAF na ny Kaonfederasiona Afrikaninan'ny baolina kitra Andriamatoa Ahmad izay filoha ankehitriny, noho ny fanasazian'ny FIFA azy... ♦ Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary, efa tafakatra 700 Ariary ny kapoakan'ny vary eto Antananarivo amin'izao... ♦ Manomboka ahitana fidinany tsikelikely ny isan'ireo matin'ny Covid-19 sy voatily famitondra ny tsimokaretina any Italia, tamin'iny faran'ny herindro iny...
♦ Mitsidika any amin'ny faritra atsimon'ny nosy ny Praiministra lehiben'ny governemanta sy ny mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara. Laharam-pahamehan'ny fitondram-panjakana ny fanafoanana ny kere... ♦ Mitaky ny hanohizana ny ezaka efa natomboka amin'ny fanavaozana sy fanatsaràna ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon'ny tany ny firaisamonim-pirenena... ♦ Hampahafantatra ny firafitry ny governemanta vaovao hotarihany manomboka rahampitso ny filoha amerikana vaovao...
♦ Tsy mankasitraka ny fihetsika ataon'ny governora sasany amin'ireo solombavam-bahoaka lany tamin'ny tsy miankina ny dépioté Voninahitsy Jean Eugène... ♦ Valan'aretina Covid-19, ny faritra Matsiatra ambony no maro an'isa tamin'ny tranga vaovao tamin'ny herinandro lasa teo, iray kosa no lavon'ny aretina izay tany amin'ny faritr'i Diana... ♦ Miaina krisy politika ny any Guatemala ankehitriny. 50 no maratra tsaboina any amin'ny hopitaly ho an'ireo mitaky ny fialàn'ny filoham-pirenena...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco