♦ Afindra amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara amin'ny alalan'ny Vaomiera Mpanara-maso ny Banky sy ny fandraharahana ara-bola na ny CSBF ny fanaraha-maso ny sehatry ny Fiantohana eto Madagasikara... ♦ Hanohana antsika amin'ny fanatanterahana ny politika fiarovana ny fari-dranomasin'i Madagasikara sy ny ranomasimbe indiana i Inde... ♦ Lavin'ny antoko mpanohitra any Niger ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Nibata ny fandresena tamin'izany i Mahomed Bazoum...

Alarobia 24 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32

♦ Nandaha-teny nandritra ilay fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny toe-karena aty afrika, andiany faha-20, ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Noresahany ny paik'adin'i Madagasikara sy ny fanarenana ataon'ny fitondrana... ♦ Afindra amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara, amin'ny alalan'ilay vaomiera mpanara-maso ny banky sy ny fandraharahana ara-bola, ny fanaraha-maso ny sehatry ny fiantohana eto Madagasikara...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...