Noharian’Andriamanitra hiara-miaina ny olombelona tsy an-kanavaka. Ny firalahina sy fiaraha-miaina dia tsy natao hoany mpiray tampo ihany fa natao hiainan’ny olombelona rehetra: satria efa nanorina fanekem-pihavanana vaovao Andriamnitra izay tanteraka tamin’ny alalan’ny zanany tokana. Araka teneniny Md Paoly (Galate 3, 28). Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

28 mey 2023 — Alahady Pantekôty — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino; ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-23)

Ny 31 mey no andro maneran-tany tsy hifohana sigara, entanina ny olona rehetra mba tsy hifoka sigara sy tsy hividy sigara manomboka amin'io daty io. Ny nanamboatra ny sigara voalohany dia mpangataka, teratany Espagnole ; notsakoina taloha ny sigara fa taty aoriana vao nofonosina. Mety aretina maro sy mafy kokoa ho an'ireo tsy mpifoka sigara, izay mahafoka tsinahy setroka sigara, amin'ny toerana samihafa no azony noho ny an'ireo tena mpifoka. Azo atao tsara ny manampy ny olona te hiala sigara, ara-tsaina, ara-batana. Ireo fototra afahana miala sigara : fanapahan-kevitra hiala sigara ; faharoa tsy mividy sigara intsony ; fahatelo mifoka rivotra madio 10 minitra isa-maraina ; fahaefatra manadio ny aty vava, misotro rano iray vera isan'ora...

♦ Miantso fifampidinihana an-databatra boribory iarahana mitady vahaolana amin'ny olana samihafa misy ankehitriny amin'ny raharaham-pirenena ny eo anivon'ny FFKM. Namoaka hafatra ho an'ny pantekôty izy ireo... ♦ Andro vitsy mialohan'ny hikatonan'ny fisoratana anarana amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, malaindaina manoratra anarana ireo olom-pirenena tsy mbola nahavita izany ho an'ny fokontany sasany ao an-drenivohitra... ♦ Nanao tatitra tamin'ny solombavambahoaka ny Ministry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Maro ny tetik'asa tanterahan'ny Ministera tantanany hoy Andriamatoa Edgard Razafindravahy...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...