2 mey 2023 — Talata, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 22-30)

Tsy olona iray no mifanakalo hevitra fa misy roa na maromaro, noho izany dia hevitra voadiniky ny maro no hifanakalozana ary mitondra fiombonana izany. Rehefa ny fanapaha-kevitra iray no nandraisan'ny sokajin'olona samihafa anjara dia tonga amin'ny fankatoavana iraisana. Tombony azo raisina amin'izany ny fahavitrihan'ny rehetra hanatontosa ilay fanapahan-kevitra. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

1 mey 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 11-18)

Ny antson'Andriamanitra miantefa amintsika amin'ny vanim-potoanan'ny paka dia izay voalaza ao amin'i Md Marka : "...mandehana amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voahary rehetra...". Zava-dehibe ny antson'Andriamanitra ho pretra na relijiozy na ho laïka amin'ny fanokanan-tena na ihany koa hanambady.

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...