Ilaina ny fahaizana mifanampy ao anivon'ny ankohonana ao. Ny fifanampiana dia manamafy sy manatsara ny rivo-piaraha-monina. Ny fahaiza-mihaino sy ny fahaizana mifanampy dia mifameno. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tafapetraka omaly hariva eny amin'ny antenimieram-pirenena ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta Ntsay Christian. Solombavambahoaka miisa 105 no nanao sonia izany. Miantso ny fitoaniana ho an'ny olom-pirenena rehetra sy ny fahatongavan-tsain'ny mpisehatra pôlitika ny filan-kevitry ny Ministra hanavotra an'i Madagasikara... ♦ Nahery vaika ny fanoheran'ny mpianatry ny ENS, ny mpitandro filaminana tonga nandamina ny toe-draharaha teny Ampefiloha. Nivoaka ny faritry ny toeram-pianarana, ireo mpitokona omaly maraina... ♦ Maherin'ny 100 tapitrisa Dôlara ny trosan'ny Air Madagasikara ka tsy maintsy atao izay hanavotana ity kaompaniam-pitanterana nasiônaly ity, hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...

08 desambra — Teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana dia efa talohan'ny Kônsily tany Nicée ireo Mpampianatry ny Fiangonana no nanaja an'i Masina Maria, ary niantso azy hoe Virjiny Masina sy hoe Eva Vaovao.

Matetika mitarika ratra anaty ho an'olona mandrafitra ny fianakaviana ny fahatsapana fa voailikiliky ny ray aman-dreny na mpiray tampo aminy ny olona iray teo amin'ny fahazazany. Zava-dehibe ny fahaizana mifandray araka ny toetran'ny tsirairay avy, apetraka ho tombony ny fahasamihafan'ny toetra. Mila mitandrina isika amin'ny toetra sasatsasany. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...