♦ Nigadona tao amin'ny Diôsezin'Ambanja ny maraina teo, i Mgr Donatien Francis Randriamalala. Noraisin'ireo mpino kristianina tao tamin'ny fitiavana sy fifaliana teo amin'ny tetezan'i Sambirano... ♦ Vaovao momba ny "Logo" sy ny hira faneva entina miatrika ny Andro Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, izay hotontosaina eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Ny momba ny zotom-po apôstôlika no fampianarana nentin'ny Papa François, nandritra ny "Audience générale" tamin'ny alarobia 11 janoary 2023...

Tsy tratra ny tanjona napetraka tamin'ilay drafi-pirenena ho fampandrosoana ny fambolem-bary na ny SNDR, tamin'ny taona 2016-2020. Tsy mihoatra ny 4% isan-taona ny tahan'ny famokarana eto amintsika, izay tsy mifanalavitra amin'ny tahan'ny fitombon'ny mponina, hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy.

♦ Mivory tsy an-kiato manomana ny fihaonam-be hotanerahana ao aorian'ny fahataperan'ny fe-potoana nomeny ny fitondram-panjakana, ireo mpikamban'ny SSM ankehitriny. Ho tapitra amin'ny alahady izao izay fe-potoana nomen'ny SSM handinihana ny fanatsarana ny mpiasa malagasy... ♦ Hanomboka anio, ary hitohy hatramin'ny rahampitso any Toliara, ny Kôngresim-paritry ny antoko TIM. Tonga any an-toerana, manatrika izany ny filoha mpanorina ny antoko... ♦ Hanomboka anio any Algérie ny lalao CHAN. Feno ihany ireo ekipa miray vondrona amin'ny Barea, satria nihazo an'i Algérie androany ny ekipan'i Maroc...

Samy manana ny toerany sy ny andraikiny ny rehetra ao anaty fianakaviana iray. Ny fiarahan-dian'ny rehetra ao anatin'izany no nitondra ny hasambarana sy hafaliana eo amin'ny fiainan-tokantrano. Na inona na inona olana sedraina dia niaina hasambarana sy fitiavana hatrany ny tsirairay. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...