Talata 6 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 12-14
♦ Mbola tsy nandray karama volana nôvambra hatramin'ny androany, ireo mpiasan'ny Antenimieran-doholona. Mandrahona ny hanamafy ny hetsika izy ireo ny alarobia izao... ♦ Very vola hatrany amin'ny 16 tapitrisa Dolara isan-taona, i Madagasikara, noho ny jono tsy ara-dalana amin'ny sisin-dranomasina... ♦ Ahiana hampahazo vahana ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin'ny asa fampihorohoroana, ny fitomboan'ny fifanakalozam-bola eto Madagasikara...
♦ Mbola manavao ny fanantenana ataony, mba hanohizana ny vavaka ho an'ny fangatahana ny hanandratana ho olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo, ny raiamandreny eo anivon'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara... ♦ Kristianina manodidina ny 1800 no niatrika ny fihatahana masina tao amin'ny Distrikan'i Brickaville, Kaominina Andovoranto, izay toerana nahafatesan'i Mgr Henri de Solages... ♦ Hofaranana ny 15 hatramin'ny 17 desambra 2022, ny fankalazana ny faha-60 taona niorenan'ny Lycée Catholique Sainte Chantal, Soanierana...
♦ Mivahiny eto Madagasikara hatramin'ny alarobia ho avy izao ny Filoha Lefitry ny Banky Iraisam-pirenena misahana an'i Afrika-atsinanana sy atsimo Victoria Kwakwa. Hihaona amin'ny Filohan'ny Repoblika izy amin'izao fitsidihany izao... ♦ Misy amin'ireo mpiasa tokony hisitraka ilay karama farany ambany 250.000 Ariary no mbola tsy naharay ny tambim-panampiana famenony 33.000 Ariary isam-bolana avy amin'ny Fanjakàna... ♦ Nanomboka androany atsy Maurice ny andiany faha-12 amin'ny lalaon'ny vaomieran'ny tanora sy ny fanatanjahatena ho an'ny ranomasimbe indiana na ny CJSOI izay natokana ho an'ny 14 taona hatramin'ny 17 taona. Tsy mandray ary tsy manana solontena amin'izany i Madagasikara...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco