Mila ampifanatrehana ny antony manosika antsika hanao zavatra iray na ny antony tsy manosika antsika. I Jesoa Kristy maty sy nitsangan-kovelona no masontsivana fototra. Tsara homarihana fa tsy azo atao ny maka fanapahan-kevitra raha ao anatin'ny hafaliana sy alahelo, tokony ho ao anaty fitoniana hatrany. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Sabotsy 29 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 1. 7-11

♦ Asa no atao fa tsy fampanantenana, hoy ny Filoham-pirenena androany, raha nampahafantatra ny voarakitry ny Planina Enti-mampandroso an'i Madagasikara na ny PEM, tetsy amin'ny CCI Ivato. Tetikasa maro no nambarany fa hatomboka amin'ity taona ity sy amin'ny 2023... ♦ Tsy ao anatin'ny atonta eny amin'ny trano pirinty tsy miankina ny taratasim-panjakana fanaovana karapanondrom-pirenena, hoy ny Minisitry ny Atitany... ♦ Tsy misy mpividy ny lavanila na efa nisokatra ny 7 ôktôbra aza ny taom-piotazana, hoy ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka, androany...

♦ Hifantoka amin'ny akon'ny Visite Ad Limina, izay notanterahan'ny Evekan'i Madagasikara any Rôma, ny vaovao... ♦ Singa iray ilaina amin'ny fandanjalanjana, ny fangetanana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy andiany fahafito, momba ny fandanjalanjana tamin'ny alarobia lasa teo... ♦ Mahatratra 5363 ny isan'ny Eveka maneran-tany, araka ny fanisana nataon'ny Agence Fides, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fampielezam-pinoana, ny 23 ôktôbra 2022...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...