Sarobidy eo imason'Andriamanitra ny fianakaviana ka tsy nisalasala Izy nifidy ny fianakavian'i Josefa sy Maria hiahy ny Zanany rehefa tonga hanatontosa ny asam-pamonjena teto an-tany Izy. Ny fanotronan'i Jesoa ilay fampakaram-bady tao Kanà dia ampy hilazana fa sarobidy ny fianakaviana. Hoy i Md Paoly : raha misy maniry ny ho pretra, dia maniry raharaha tsara indrindra izy. (I Tim 3,1). Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Sabotsy 27 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 14-30
♦ Volamena 17 kilao sy 390 grama saika hahondrana antsokosoko teny Dubai no tra-tehaka tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Homarihana amin'ny alahady 28 aogositra izao, eny Somandrakizay, ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo. Hankalazana ihany koa ny fetin'i Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra... ♦ Mbola tsy tomombana ihany, herinandro mialoha ny fiaingana, ny vola handehanan'ny Maki vehivavy hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany...
♦ Hivavaka sy handalina ny finoana no tanjon'ny JMJ Mada X, hoy i Mompera Jean Luc Ratovonjanahay, Amônien'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora... ♦ Tontosa ny sabotsy 20 aogositra teo ny fanamasinana ho pretra roa sy diakra dimy, ho an'ny Diôsezin'i Mirinarivo... ♦ Hankalazaina amin'ny 28 aogositra ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo sy fanamasinana ireo ho pretra sy diakra. Misy ny fandaminana manokana momba izany...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco