Alatsinainy 22 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 13-22
21 aogositra — Ny Victoire resahina dia i Victoire Rasoamanarivo, teraka ny taona 1848 tao amin’ny fari-bohitr’Andohalo Antananarivo i Victoire. Rambahinoro no reniny ary Randriantsilavo, manam-boninahitra efatra ambin’ny folo voninahitra ny rainy. Zafy kelin’i Rainiharo piraiminitra sy ny mpanjakavavy Ranavalona I izy.
Tsara ny manamarika fa ny fahamasinana misy fetra dia tsy azo lazaina ho fahamasinana velively fa fahamasinana mandalo no mety ilazana azy. Ny tena fahamasinana dia izay hiainana maharitra ka hahitana hafaliana na dia hisedrana ny mafy indrindra aza. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P.Wagner Randriamampiandry.
Alahady 21 aogositra 2022 — Alahady faha iraika amby roapolo mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo Andriamanitra, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 22-30
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco