♦ Tsy mbola fantatra hatreto ny fotoana hitsarana ireo olona voarohirohy tamin'ny raharaha Apollo 21, Jeneraly miisa efatra indray no nohainoan'ny teo anivon'ny fitsaràna... ♦ Hankatoavin'ny filohan'ny Repoblika eny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha anio ny rijan-teny ametrahana ny faritra vatovavy ho faritra faha-23... ♦ Nisy nanakorontana ny diaben'ny fahafahana nankeny Iavoloha ny 10 aogositra 1991 hoy Pr Ralison Roger ka niafara tamin'ny rà mandriaka...

Teny roa no atambatra ny hoe " soa iombonana", maneho zavatra tsara azon'ny rehetra andraisana anjara na ampiasaina ary natao ho an'ny rehetra. Ohatra : ny arabe, ny rivotra madio, ny sekoly, ny trano fiangonana, ny hôpitaly. Hoy ny Pape Ray Masina : ny soa iombonana dia ireo noharin'Andiamanitra ka nankininy tamin'ny olombelona. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.

Alarobia 11 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 15-20

♦ Nisy nanakorontana ny "Diaben'ny Fahafahana" nankeny Iavoloha ny 10 aogositra 1991, hoy ny Profesora Ralison Roger, ka niafara tamin'ny ra mandriaka. Mbola tsy fantatra hatramin'izao ny tao ambadik'izany, hoy hatrany ity mpanao pôlitika ity... ♦ Hankatoavin'ny Filohan'ny Repoblika eny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, rahampitso, ny rijan-teny hametrahana ny Faritra Vatovavy, ho faritra faha-23 eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...