♦ Mbola mitohy ankehitriny ny hazalambo ataon'ny mpitandro ny filaminana an'ireo dahalo nanafika tany Midongy Atsimo. An-jatony ny omby efa tafaverina, am-polony ireo dahalo voasambotra... ♦ Tsy laharam-pahameha ny fanamorana ny fahazoan'ny vahiny zom-pirenena malagasy, hoy ny Solombavam-bahoaka TIM, Todisoa Andriamampandry...

Zoma 4 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 35-37

♦ Mitohy ny hazalambo ireo dahalo, izay nanafika tany amin'ny Distrikan'i Midongy Atsimo. Hatreto dia an-jatony ny omby efa tafaverina, am-polony kosa ireo dahalo voasambotra... Fampitam-baovao avy amin'ny Antenimieram-pirenena, nanazava ny tsara ho fantatra mikasika ny tolo-dalana mifehy ny zom-pirenena malagasy...

Feno ala voajanahary nahitàna hazo malagasy maro teto amintsika, nanerana ny Nosy talohan'ny fanjanahantany. Rehefa tonga ireo vazaha dia namboly hazo vahiny izay haingam-paniry anefa tsy ahazoana tombontsoa akory. Ho fiarovana ny ala  ary ho famerenena ho maitso ny nosintsika dia ilaina ny fambolena hazo malagasy sy sakafo ho an'ny biby "paturage", manao fiompiana mifefy "ferme bio", averina ny fifaninanana kaominina maitso. Ny hazo malagasy dia mahalonaka ny tany, mamelona loharano ary miaro ny tontolo iainana... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...