♦ Efa maherin'ny zato hatramin'izao ireo mpiasan'ny fahasalamana namoy ny ainy, raha ny tatitry ny sendikan'ny SISFIM. Fanairana manoloana izay tarehimarika izay androany no namaranan'izy ireo ny herinandro ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana... ♦ Manameloka ny mbola fisian'ny sidina miditra antsokosoko eto Madagasikara ny sendikan'ny mpiasan'ny fadin-tseranana, na efa misy aza ny Notam mandrara izany. Nanao fanamabrana izy ireo androany, miantso ny fandraisana andraikitry ny Filoham-pirenena manoloana izany toe-java-misy izany...
♦ Lavanila milanja 1 780 taonina no naondran'i Madagasikara tany amin'ireo firenena 21 any ivelany, tamin'ity taom-pambolena 202-2021 ity. Nahatratrra 94% ny fiverenan'ny vola taty Madagasikara... ♦Nisokatra omaly ny taom-panjonona makamba eto amintsika. Heverina ahatratra hatrany amin'ny 14.000.000.000 Ariary ny tamberim-bidy... ♦ Nitombo 1 400 000 ny Malagasy latsaka anatin'ny fahantrana lalina, tamin'ny taona 2020 noho ny valan'aretina Covid-19...
Ny aina no toavina sy hajaina, izay ao anatin'ny vatana miaraka amin'ny saina sy ny fo ary ny fanahy. Ao anaty vatana ireo rehetra ireo noho izany dia tsy maintsy toavina izany ny vatana. Ny vehivavy dia mpitahiry ny aina, ka ny fanajana ny aina no tena sotoavina. Ny fanabeazana sy ny fibeazana no fototra ho fandaminana ny fihentanam-po...
Naneho ohatra fakan-tahaka manoloana ny resabe mikasika ny vakisiny Covid-19 ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenena ny Jeneraly Ravalomanana Richard, ka nitarika ny zandary nanao vakisiny omaly...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco