Nanatsara ny famokarana Zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio... 

♦ Efa manomboka mandray karama ireo mpiasa amin'ny Oniversite izay nahavita ny "digitalisation", isan'izany ny any Fianarantsoa, ary efa tonga any Mahajanga ihany koa ny taratasim-bolan'ireo mpandraharaha sy ny mpiasan'ny Oniversite... ♦ Hahemotra ho amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra indray ny fifaninana hidirana ho mpianatra ao amin'ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha, eny Tsaralalana na ny ENMG...

Mampirindra ny tokantrano ny fahaiza-miaina sy mitia eo amin'ny mpivady. Silam-panahy ny vady ary olona tiana no sady tia. Ireto avy ny zava-dehibe tsara ho fantatra ao anatin'izany : fitiavana, fifankahalalana tanteraka, fifanankalozan-kevitra, fifampitokisana, finoana...

Ny fifandraisana eo amin'ny fianakaviana no rohy maha mpihavana. Manana ny lanjany ny fihavanana ary notandroina fatratra teo amin'ny Malagasy. Ny fihavanana dia nahafahana nandrindra fiaraha-monina sy disadisa, ambony lavitra noho ny vola sy ny voninahitra. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...