Tsy azo ekena intsony ny fanakorontanana eto amn'ny firenena hoy ny Praiministra, omaly nandritra ny famoriany ireo tompon'andraikitry ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Handray ny andraikiny ny EMO National manoloana izany, hoy izy...

Alarobia 27 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 1-20

♦ Mampihena ny risipon'ny mpiasan'ny fahasalamana ny fitaovana ampiasain'izy ireo ihatrehana ny valan'aretina Covid-19. Tsy mbola nisy hoy ny sendika 6FM ny fampitaovana vaovao ho azy ireo... ♦ Mailo amin'ny firongatry ny tsimokaretina Coronavirus eto an-drenivohira ny ao amin'ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, na ny ATT...

♦ Mpianatra am-polony voasambotra, mpitandro filaminana telo naratra, vokatr'ilay korontana, nifandonan'ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana tao amin'ny Oniversiten'Antsiranana... ♦ Tsy misy ny fampiasàna seza afovoany anaty fiara fitanteram-bahoaka eto Antananarivo... 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...