♦ Hampiakatra ny raharaha eny anivon'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanantanjahantena ny filohan'ny CAF, Ahmad, araka ny nivoitra tamin'ny fivoriany niaraka tamin'ny mpisolo vava azy... ♦ Ministeran'ny fitsarana : atrikasa hanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo tompon'andraikitra hanatsarana ny politika hanakaikezana ny vahoaka... ♦ Radio Vaticana ho an'i Afrika : 70 taona amin'ity taona 2020 ity, nanomboka tamin'ny taona 1950...

♦ Kere: Nanolotra fitaovam-pamokarana, zezika sy masomboly voafantina ho an'ny vehivavy sy ny renim-pianankaviana any amin'ny Kaominina Ifotaka sy Tsivory ny vadin'ny filoham-pirenena... ♦ Fikambanan'ny vehivavy sembana FIVES : Voalohany tamin'ny fifaninanana nokarakarain'ny Ministeran'ny mponina... ♦ Manana hevitra hiarenan'izao tontolo izao aorian'ny ady amin'ny valanaretina Covid-19 sy hananganana fiaraha-monina tsaratsara koakoa ny pape François. Havoaka amin'ny 02 desambra izao ny boky hirakitra izany...

Alarobia 25 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19 — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.

♦ Nanampy ny vehivavy sy ny renim-pianankaviana any atsimo ho famporisihina azy ireo sy hamokatra, hanafoanana ny kereny vadin'ny filoham-pirenena Ramatoa Mialy Rajoelina sy ny zanany... ♦ Mandry tsy lavo loha ny mponina any amin'ny distrikan'Amparafaravola. Manjaka ny asan-dahalo... ♦ Valanaretina Covid-19: Hanakatona ny toeram-pisotroana sy ny toeram-pialamboly samihafa indray ny any Hong Kong...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...