♦ Mikasa ny hamory vahoaka any Vakinankaratra ireo parlemantera TIM sy HVM ary ny vondrona Panorama amin'ny sabotsy ho avy izao... ♦ Hiverina hisokatra sy hiasa ao anatin'ny ainga vao, mialohan'ny faran'ity taona 2020 ity ny zotra an-dalamby FCE, mampitohy an'i Fianarantsoa sy Manakara... ♦ Mijoro manohtra ny fakàna ankeriny sy ny fanerena ny ankizivavy hivadim-pinoana sy hanambady, ny eglizy any Pakistan... 

♦ Nitombo ny tranganà fanodikodinam-bolam-panjakana tamin'ny taona 2019 raha ampitahaina tamin'ny taona 2018 hoy ny teo anivon'ny Bianco... ♦ Ny hanamafisana ny fizahantany anatiny no isan'ny antony sy tanjona kendrena amin'ilay hetsika "tsenaben'ny fizahantany", karakarain'ny ministeran'ny fizahantany... ♦ Namoy ny ainy tany Turquie teo amin'ny faha-72 taonany ny alin'ny alatsinainy hifoha omaly talata ihany koa ny filoha Maliana teo aloha Amadou Toumani Touré... 

Alarobia 11 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19 — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

♦ Nitombo ny fanodikodinana ny volam-panjakàna tamin'ny departemanta samihafa tamin'ny taona 2019 na dia hita taratra aza ny finiavan'ny fahefana mpanatanteraka hiady amin'ny kolikoly... ♦ Niakatra fampanoavana androany momba ny raharaha nitorian'ny ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra azy i Clémence Raharinirina... ♦ Lavon'ny Coronavirus teo amin'ny faha-65 taonany ny sekretera jeneralin'ny OLP Fikambanana ho fanafahana an'i Palestine...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...