Ny vokatry ny fifanakalozan-kevitra dia ezahina mba hijanona eo amin'ireo niatrika ny fifanakalozana izany hoe ilàna fahaizana mandanjalanja ny fanapariahana azy. Fiadanam-po ny vokatry ny fifanakalozan-kevitra. Aorian'ny fifanakalozan-kevitra dia ny fahavononana ny hanatanteraka ny dinika no tsy maintsy atrehina mba tsy ho resaka fotsiny. Ilaina hatrany ny fampahatsiahivana izay hevitra tapaka. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Ny teny dia anisan'ny fitaovana iray hifandraisana, ary ao antin'ny teny no misy ny fifampihainoana. Zo sy adidin'ny olona tsirairay ny miteny, noho izany dia tokony hohenoina izay miteny. Tsy ny teny rehetra no voatery hohenoina satria misy ireo olona izay manana fahazarana miteny ratsy. Efa niova ny soatoavin'ny fifampihainoana ankehitriny, isan'ny anton'izany ny tambajotra-tserasera isan-karazany. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Rehefa mifanakalo na miady hevitra ny olona roa dia mahita teny ierana. Ny hevitra no ampiadiana fa tsy ny olona, ny fifanakalozan-kevitra dia fampianarana antsika hitaiza fihetseham-po ary koa fankatoavana ny zon'ny olona iray haneho ny heviny. Ny fifampihainoana dia mariky ny fahamatorana. Maro ny voka-dratsin'ny tsy fifampihainoana eo anivon'ny fianakaviana, isan'ireny ny olan'ny tanora. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Ny Soratra Masina dia mamporisika hatrany am-piandohana ny vahoaka Israely hahay hihaino an'Andriamanitra. Mihainoa ry Israely (Dt6, 4). Andriamanitra no niavian'ny olombelona ary nataony mitovy endrika aminy isika ka nataony hifankahazo, hifampiresaka ary hifampihaino. Fanehoana fiombonana ny fifampihainoana ary irian'ny jesoa ny hoe "mba ho iray izy rehetra...". Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Antitraterin'ny Konsily ny fanajana ny zon'ny olombelona, hihevitra ny namany ho tahaka ny tenany. Ny tenan'ny olona tsy maintsy hajaina sy tiavina fa ny hevi-diso no tsipahina. Raha ny lôjikan'olombelona dia tsy mila mifampihaino akory ny mpifahavalo, fa mifanohitra amin'izany ny hevitr'Andriamanitra izay handidiani Kristy antsika : Tiavo ny fahavalonao, manaova soa amin'izay mankahala anao... Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Anisan'ny olana goavana eo amin'ny fiaraha-monina ny fanelezana tsaho sy ny vaovao tsy marina. Miteraka voka-dratsy maro izy ity satria lasa mampisavorovoro ny fiainana ary mampikorontana ny fisainana sy ny fiainam-bahoaka. Ny tokony ho tsarovantsika dia ny fiezahantsika hijoro hatrany fa tsy ho kivy manoloana izany fanelezana tsaho izany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
Ny atao hoe "tsaho, vaovao tsy marina" dia teny na resaka mandeha mitety hatrany, izay tsy mbola voafotopototra na marina na diso. Izany hoe fampahalalana izay mampita amin'ny tanjona hamafazana fisalasalana momba zavatra na olona iray, ary tsy azo porofoina. Ny tsaho dia manamafy ny fahalianana, porofon'izany mazana ny olona no liana amin'ny tsaho, maika aza mampitombo ny fahalianany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
Haingana be ny fielezan'ny tsaho ; ny fahafahany miparitaka sy miteraka zava-baovao dia tsy azo sakanana. Mazàna dia ny olona izay hananany fifandraisana akaiky ary fantany no ampidiran'ny mpanely tsaho sy mpilaza vaovao tsy marina ny fisalasalana mba haharoboka azy ireo anaty fandrika. Miparitaka lavitra sy haingana ny tsaho, ny olona iray maheno tsaho dia milaza izany amin'ny hafa. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
Toe-javatra tena mampalahelo ny fanelezana tsaho sy ny vaovao tsy marina, azo ambara ho tsy filaminan-tsaina ihany koa izy ity. Misy mahita fahafinaretana manoloana ny fisavorovoroana vokatry ny fanelezana tsaho. Misy ireo mitady laza amin'ny fanelezana tsaho sy vaovao diso. Tokony ho tsaroina mandrakariva fa tsy fanahy fotsiny isika ary tsy afaka hanome fahafaham-po ny olon-drehetra. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
Ny olona rehefa zatra manely tsaho sy milaza vaovao tsy marina dia zary ra mikoriana ao aminy izay fomba ratsy izany. Ny antony tsaho dia matetika noho ny tsy fitiavana sy tsy fifankahazoana, ny fialonana, ny valifaty. Mety hampisaritaka ny namana, hanimba ny laza ary hampisy herisetra mifandraika amin'izany ny tsaho. Manome fanafintohinana olona ireo mpanely tsaho, azo ambara ho fahotana. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
Adidin'ny tsirairay, indrindra ny kristiana ny milaza ny marina. Nambaran'ny Pap François, tamin'ny hafatra ho an'ny andro maneran-tany faha-52 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, ny tokony hirotsahana an-tsehatra iombonana mba hisorohana ny fanelezana vavao tsy marina sy mba hijerena indray ny soatoavin'ny asa fanaovan-gazety sy ny andraikitry tsirairay amin'ny fampitana ny marina. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
Manana adidy ny raiamandreny sy ny mpanabe mba hampianatra ny lanjan'ny fahamarinana sy ny fahitsiana manomboka ao an-tokantrano, eny an-tsekoly ary hatreny amin'ny fiaraha-monina. Ny mpanao gazety sy ny mpiasan'ny haino aman-jery dia tokony ary tsy maintsy manaja ny soatoavina mifehy ny asany. Ny mpitondra dia tokony hampahafantatra izay vaovao marina. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco