Adidin'ny Fanjakàna ny mampihatra pôlitika mahomby ny asa ka isan'izany ny manome vahana ny famoronana ny asa manerana ny firenena, eo koa ny fanohanana ny olona amin'ny asa famokarana. Adidin'ny Fanjakàna ihany koa no mampirisika ny olona hiantsehatra satria tsy ho araky ny Fanjakàna irery izany fa na izany aza dia tsy maintsy miezaka araka izay tratra ny mpitantana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Adidin'ny Fanjakàna ny manohana ny orinasa osa ; ohatra amin'ny lafiny fitaterana. Fitsinjovan'ny Fanjakàna ny vahoaka ny fanohanana ny orinasa. Misy ny fifanekena mitandro ny zo hanana asa, fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Anatin'ny fifanekena no hametrahana ny fanajana ny zo sy ny hasina ary ny rariny ho an'ny mpiasa sy ny mpampiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Zo fototra iorenan'ny fiainam-pianakaviana ny asa, ary miantoka ny fizotry ny fanabeazana. Mifamatotra sy mifampiankina ny fiainan'ny fianakaviana sy ny asa. Mba hananan'ny olona tsirairay ny vintana mitovy sy ny haja sahaza dia ilaina mametraka pôlitika mahomby momba ny asa ; ilaina izany mba ho fanomezana vahana ny maha-fototra ny fianakaviana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Miteraka olana eo amin'ny vatana ny tsy fananana asa satria rehefa noana ny vatana dia mivezivezy ny fanahy. Mahatonga henatra ho an'ny olona iray ny tsy fananana asa, eo amin'ny fiaraha-monina. Ny tsy fananana asa dia antony mampitombo ny tsy fahandriam-pahalemana, sy ny herisetra satria betsaka ireo te hahazo vola haingana. Mety hanova ny fitondran-tena ny tsy fananana asa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny tsy fananana asa dia miteraka olana eo amin'ny fampianarana zanaka. Vokatr'izany dia mitotongana ny fahalalana, mikoroso ny fanabeazana, porofo tsy mifanaja intsony ny eny anivon'ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana. Ny fitokisana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka no manampy ny olona hiatrika ny olana sedrainy hitady sy hiezaka hiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Misy firehan-kevitra manindraindra ny fitovian-jo ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin'ny fiaraha-monina. Araka ny voasoratra : tsy nisy ny mpianatra vehivavy fa i Jesoa Kristy no nampiditra azy teo amin'ny fiaraha-monina, nampianatra tamin'ny fihetsika sy ny nataony : mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, eo amin'ny tontolon'ny asa, ilaina eo amin'ny lafiny rehetra isehoan'ny fiainam-piara-monina ny talenta mampiavaka ny vehivavy. Ilaina ny manome sehatra ny vehivavy ary tsy maintsy atao ny ezaka mba ho azo antoka ny fisian'ny vehivavy amin'ny sehatry ny asa. Manana adidy manokana ny vehivavy ao an-tokantrano, zava-dehibe ny maha-reny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Manohitra ny lalana voajanahary ao amin'ny fahasamihafana no hanorenan'ny fiaraha-monina raha toa ka irosoana ny fanambadian'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ; ary voatohitohina ny asa fahariana, tapaka sy tsy misy fotohizan'ny aina. Ny tokantrano dia tsy maintsy misy ray sy reny ary zanaka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Fanoezan-danja ny vehivavy ny fanomezana asa azy ireny. Mba hazoana vokatra tsara sy mahafapo dia mitaky fiofanana ny asa iray sahanina mba hifehezana izany tsara. Ny asa hatao dia mendrika ho sandaina ; ny tambi-karama dia tokony araka ny ora sy ny fepetra, tokony ho ara-drariny sy ara-dalana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny asa ampanaovina ny ankizy, amin'ny endrika tsy azon'ny saina leferina dia karazana herisetra, tsy dia mivandravandra noho ny herisetra hafa angamba, saingy zava-mahatsiravina tsy latsak'ireny velively. Voalika matetika ny ankizy, hatramin'ny 12 taona ; jesoa teo amin'ny faha-12 taonany niditra tao an-tempoly no ohatra tamin'izany. Tsy tokony hiditra any amin'ny orinasa ny ankizy raha tsy feno taona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Herisetra no azo andikàna ny fampiasana ny ankizy. Io fanararaotana io dia fanosihosena lozan-tany ny hasina maha-olona ananan'ny tsirairay " na kely sy bitika toy inona aza izy, ary na maivana toy inona aza ny fahitana azy, eo anatrehan'izay heverina fa mety ilàna azy". Fanandevozana sy fanararaotana ny ankizy ny famporisihana azy hampidi-bola nefa tokony mbola ho andraikitr'ireo ray aman-dreny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny ankizy dia tsy tokony ampiasaina, adidin'ny ray aman-dreny ny mizaka aza ireny mba hampivelatra azy amin'ny fiainana indrindra ny amin'ny fanabeazana. Ny Fanjakana dia manana adidy hanampy ny ray aman-dreny amin'ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly, izany hoe ny fanabezana manontolo na foto-drafitra, na ny enti-manana, ny fitsinjovana ireo mpampianatra sy ny rafi-panabeazana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco