Mandray anjara amin'ny maha Mpaminany sy Vavolombelon'i Kristy ny lahika ka mahazo fanampiana sy fahasoavana hanambara ny Vaovao Mahafaly eo amin'ny mpianakavy sy ny mpiara-monina. Mandray anjara amin'ny fahamendrehana maha Mpanjaka ihany koa ny lahika. Manjakan'ny zava-boahary ny olombelona.  Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Lehibe tokoa ny anjara toeran'ny lahika ao amin'ny Eglizy sy eo amin'izao tontolo izao. Koa tsy maintsy mahay mifandray tsara amin'ny mpitondra izy ireo, indrindra eo amin'ny lafiny fiaraha-miasa. Asa vadidrano ny fanasoavana ny Eglizy ka tsy maintsy hifandrombonan'ny Mpitondra sy ny Kristiana izay entiny. Afaka manambara malalaka ny heviny ny lahika amin'ny fanatsarana ny Eglizy.  Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Ny lahika dia Kristiana vita Batemy rehetra tsy nandray ny Sakramentan'ny Filaharana ary tsy anatin'ny fikambanan-drelijiozy ankatoavin'ny Eglizy. Manana ny fahamendrehana ny lahika noho izy ao anatin'ny vahoakan'Andriamanitra mitovy zo sy hasina eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Mila mahay miara-miasa amin'ny Mpitondra ny lahika ary manaiky sy manaja ny rafitra. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Ny Batemy : fankatoavana ny Ray sy ny maha olona. Ny Batemy noraisina dia mahatonga ny lahika hanana anjara toerana eo amin'ny Eglizy sy ny fiaraha-monina. Ny Batemy no tandidon'ny fiombonana ao amin'ny samy lahika na dia ao anaty sampana maro mandrafitra ny Eglizy aza, ary mandrisika ny lahika handray anjara amin'ny asam-pamonjena. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ny Sakramenta dia fitaovana ampiasain'ny Eglizy hanampy antsika hanamasin-tena ary hahafahantsika mahalala bebe kokoa ny misterin'Andriamanitra Fanahy Masina. Ny Eglizy mihitsy no Sakramenta satria ny Eglizy dia famantaram-pamonjena mitarika antsika mankany amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo mpitarika ao aminy.Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Amin'ny alalan'ny Batemy no handraisantsika na ahazoantsika ny finoana ary tsy vitan'ny hoe azo na raisina fa mila fanabeazana, mila halalinina ary hampitomboina. Tsy mitovy avokoa ny fomba entin'ireo ray aman-dreny maneho ny finoany fa miankina amin'izay fanabeazam-pinoana azony tamin'ireo ray aman-dreniny tany aloha ihany na ireo razany tany aloha. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ny fanirian’ny Fiangonana dia ny hahombiazan’ny finoana ao amin’ny tsirairay amin’ny alalan’ny ezaka ataony sy fanohizana ny zavatra nataon’i Jesoa teto an-tany tamin’ny fitoriana ny Evanjely sy ny fampitana izany tamin’ny Apostoly sy ny mpandimby azy. Fiangonana kely ao an-trano ny fianakaviana. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an'ny olombelona ny finoana, indrindra ho an’ny mpino.  Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Sarotra ny fampitana ny finoana amin'ny tanora ao an-tokantrano noho ireto antony ireto : mafy ny tosika etin'ny teknôlôjia, miakatra ny vidim-piainana, tsy miaina loatra ny finoana ny olona fa mihefitra izany ho fialamboly. Tsy afaka ny hilaza isika fa tsy mila ny fandrosoana , indrindra ny teknôlôjia, satria azo lazaina fa efa tara be isika eto Madagasikara mihoatra amin'ny firenena  hafa.  Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Tsy anjaran'ny Fanjakàna sy ny Eglizy samirery ny ezaka hampandroso ny olona sy hahay hikirakira ny teknôlôjia fa manana anjara ihany koa ny tsirairay miainga ao an-tokantrano izay fiangonana fototra. Mahasarika tanora maro ny fitaovan-tserasera lasa sampy ho an'ny hafa izany hoe toy ny Andriamanitra mihitsy. Tsy ireny anefa no ratsy fa ny fitiavana azy tafahoatra no maha ratsy azy. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ireo olana fototra manimba ao an-tokantrano vokatry ny fitaovam-pifandraisana sy ny teknôlojia avo lenta ankehitriny dia : faniriana te hanana fitaovana tsara hika farany, tsy fahaiza-mionona, fahasahiranan'ny ara-bola... Ny zavatra rehetra dia misy lafiny ratsy sy lafiny tsara avokoa ka raha tsy mifandanja ireo na tsy mahay mandanjalanja izay mampiasa azy dia lasa ny ratsy no manjaka. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Misy ny fiovan'ny fifandraisana eo amin'ny olona vokatry ny fandrosoan'ny teknôlôjia : miha akaiky ary toy ny miara-monina izao tontolo izao, ny ratsy kosa dia misy fotoana mampifanalavitra ireo mifanakaiky rehefa variana na mifantoka ao loatra. Ho ao an-tokantrano  dia lasa miolonolona, tsy misy fifandraisana mivantana loatra fa samy variana amin'io telephone io. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ny finoana tsy latsa-paka dia toy ny fialam-boly na ambin-javatra fotsiny. Raiso ho toy ny fitaovana rehetra ampiasaina ireny fitaovana ireny, ka misy ny fotoana ampiasàna azy fa tsy izy no mandany ny andro rehetra. Mila asongadina mandrakariva ny maha fiangonana kely hanovozam-panahy ny fianakaviana. Aoka ny ray aman-dreny hipetraka mandrakariva eo amin'ny toeran'ny mpanabe. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...